Ody sery

Raha sery no resahina, ireto misy santionany amin’ny zavatra azo atao ho fanantoniana sy histaboana ny sery.

Fa tandremo fizarana sy fampahafantarana fotsiny ito. Mila mandeha dokotera raha ohatra ka tsy mety tony na miafana anatin’ny 2 andro

  • Voasary makirana sy tantely : Mitahiry tahana vitamine C ambony ny voasary makirana. Ny fanafangaroana azy amin’ny tantely dia manome ody sery tena mandaitra tokoa. Manampy betsaka amin’ny fampitomboana hery fiarovana ny singa hita ao amin’ireo akora natoraly ireo. Mampitony sy mampisinda vetivety ny sery ny fihinanana rano mafana asiana tantely sy voasary makirana. Mety amin’ny ankizy sy ny olon-dehibe io karazana ody sery io. Marihina kosa fa tsy mahazo mihinana tantely ny zaza latsaky ny herintaona.
  • Ron’akoho gasy sy sakamalao : Ody sery haingam-piasa sady mampody aina ny ron’akoho gasy. Ny fisotroana azy dia mampitony vetivety ny orona tsentsina. Rehefa voan’ny sery dia mahatsiaro reraka ny vatana satria miady amin’ny viriosy ny hery fiarovana. Mampiverina aina vetivety kokoa ny fisotroana ron’akoho. Ezahina mba atao mafana tsara ny rony ary tsy adinoina ny manisy sakamalaho voakiky aminy. Tsara raha atao somary betsaka ny fatran’ny sakamalao mba hasitsiaka tsara ilay rony ka manafana ny tratra rehefa misotro azy.
  • Ranon-tsira : Ody sery tena mahomby ny ranon-tsira. Maro ny fomba fampiasa azy ampitoniana ireo soritr’aretina mateti-pitranga rehefa voan’ny sery. Ny fanadiovana ny orona amin’ny ranon-tsira dia manampy amin’ny fampitoniana ny orona tsentsina. Azo atao ihany koa ny manao evoka ranon-tsira mba ampisokatra ny lalan-drivotra ka manasitrana vetivety ny sery. Maka rano 1 litatra, asiana sira 1 sotro fihinanana. Afangaro tsara alohan’ny hampangotrahana azy. Io ranon-tsira mamay tsara io no atao evoka rehefa hariva alohan’ny hatory.
  • Maka tongolo oignon, dia tetehana en rondelle . Ataovy ao anaty kopy na vera , dia raraho tantely ho sarona , dia sarony tsy ho azon’ny vovoka.Raha misy frigo , dia ataovy ao . Avelao eo mandritry ny adiny 2 eo ho eo , hitera-drano. Iny ranony iny no atao fanafody maraina, atoandro, hariva . 1 sotro lehibe => olon-dehibe , dia 1/2 ho an’ny zaza. Tsy misy atahorana io ho an’ny zaza.
  • Ny oignon no tena tsara, sady azo tsakoina (ho an’ny olon-dehibe ) , fa azo atao ihany koa ny RADIS na NAVET
  • Ho an’ny olon-dehibe , raha mahatanty dia ny sakamalaho tsakoina, alona ao am-bava (satria mamono otrik’aretina , no mamono fofom-bava ,manadio ra, sady mahatsara vavony sy tsinay ny ranony. Raha tsy mahatanty moa , dia totoy +tantely hohanina mandritra ny 3 andro.
  • Voasary makirana+rano+tantely , afatra ny voasary makirana dia izay fatran’iny no fatran’ rano sy ny tantely raha olon-dehibe mihinana 1sotro lehibe maraina sy antoandro fa raha zaza kosa dia 1 sotrokely!
  • Ny ranona ravim-pibasy: 5 na 7 atao anaty rano 1L d ampangotrahina… dia io no omena azy tontolo andro na atao fandrahoana ny sakafon-jaza … dia manao hafa indray rahampitso, tohizana mandritra ny 5 andro eo ho eo, manala gripa, kohaka, sery, rehoka amin’ny tratra
  • Miotra amin’ny diloilo coco mafana kely (tandremo sao mamay be) – petak’afo- dia ahositra amin’ny tratra sy lamosina dia somary havokona ny totondry orina kely atao mihodidina ny tratra sy lamosina iny. Tandremana sao dia mafy be ka marary indray ny zaza.
  • Afaka omena dibera kely koa mba tsy ho maina be ny tratra rehefa mikohaka.
  • Ody sery sy kohaka indrindra ho antsika izay manana zazakely: navet sasana tsara dia tetehana manify kely, ampiana siramamy avy eo dia avela hamoaka handranoka dia ilay ranony iny no omena zaza avy eo 1 sotro lehibe maraina – atoandro – hariva

Azo jerena ihany koa

Sokajy

Lohahevitra