Fandraisana

Salanitra é !

Tongasoa eto @ Gasy hatrany !

Maro isika Malagay maneran-tany, tsy dia zatra intsony amin’ny maha malagasy.
Tsy haiko na mora voasariky ny kolontsaina avy any amin’ny tany hafa isika na tsy fahalalana tsotr’izao, fa dia hita taratra eny amin’ny firahamonina fahalefen’ny kolontsaina gasy.

Eny, tsy fahadisoantsika ankehitriny ny tsy fahalalana, ary tsy manome tsiny ireo ray aman’dreny koa isika, fa ny marina ary tsy azo lavina dia andraikitra ho antsika rehetra ny izay tonga saina ny manao izay tsy hahavery ireo kolontsaina sy ireo maha-gasy.

Ekena fa taraiky i Madagagasikara raha mitaha @ firenena hafa, fa tsy tokony izany no hanariana ny maha-gasy. Ny tokony atao dia mianatra mampitovy ny tadin-dokanga eo @ kolontsaina sy ny fandosoana avy any ivelany.

Ito tranonkala ito dia natao mba hampahalalana, hampahatsiarovana ary hampianarana ireo tsara ho fantatra.
Torolalana ihany no ato, fa anjaranao no misintona izay mety aminao mba hahafahanao mahalala sy mahafantatra ireo kolontsaina gasy.

Ireo sokajy lehibe kasaina trandrahana ato :

🇲🇬 Fomba Gasy

Ny fomban-drazana malagasy dia ny fomba amam-panao malagasy nentim-paharazana rehetra izay lovain’ ny taranaka nifandimby. Izany dia ny fitsipika ny fiainana, ny finoana, ny fihetsika amin’ ny fombafomba ary ny soatoavina izay mandrindra ny fiainana andavanandro, ara-piarahamonina sy ara-panahin’ ny Malagasy. Ny faritra tsirairay eto Madagasikara dia samy manana ny endrik’ ireo fomba ireo.

.

🗣️ Kabary

Ny kabary dia lahateny atao amin’ ny feo avo ka entina hampitana hafatra ary matetika ravahina amin’ ny hainteny sy ohabolana sady atrehin’ olona maro. Samy nanana ny fomba nitrandrahany ny kabary ny rehetra ka izay no mahatonga ny famaritana somary maro amin’ izao fotoana izao ny atao hoe kabary, fa saingy io no fototra ka miainga avy amin’ io avokoa ny famaritana rehetra misy ankehitriny.

🌿 Raokandro

Ny raokandro dia fampiasana zavamaniry ho an’ ny fitsaboana. Sehatra nentim-paharazana amin’ ny fitsaboana malagasy izy io, izay ampiasaina amin’ ny fitsaboana aretina isan-karazany. Izy dia nipoitra tamin’ ny fomban-drazana malagasy fahiny izay ampiasan’ ny mpitsabo nentim-paharazana ny zavamaniry amin’ ny endriny tsy asiam-panovana.

📖 Angano

Ny angano dia lahabolana malagasy ambava, tantara noforonina tsy voatery ho nisy, natao ho fitaovam-pitaizana sy fanabeazana taratry ny zava-misy eo amin’ny fiainana. Mifono anatra mandrakariva izy io: fahalalana, fahendrena, fahaiza-miaina, fitsipi-piainana.

🍽️ Sakafo

Ny sakafo malagasy na ny nahandro malagasy dia fitambaran’ireo sakafo nentim-paharazana malagasy na izay sakafo rehetra mahazatra ny Malagasy ankehitriny.
Maro ireo sakafo malagasy ary misy koa ny sakafo izay atao manaraka ny fomba

🎶 Monika

Ny mozika malagasy dia manan-karena amin’ ny fisian’ ny singa avy akaiky sy lavitra amin’ ny fotoana sy ny amin’ ny habaka.
Misy maro koa ireo zavamaneno izay hita manenana ny Nosy, misy itovizany amin’ny any ivelany fa saingy manana ny maha-gasy azy

Gasy Hatrany dia manasa anao, hahalana na hiverina hahafantatra ireo kolontsaina sy soatoavina malagasy.
Ny tsy hahafaty sy hahavery ny maha-gasy no katsahina, ary tsy afaka hitia ny kolontsaina sy soatoavina ianao raha tsy manana fahalalana mikasika izany ianao.
Koa aza misalasala mitsidika sy mizara ito tranon’kala ito.

Raha hifanerasera aminay, hanome tohohevitra, hanakiana, hanome fanamarihana dia aza misalasala.

Misaotra indrindra.

Ireo sokajy misy

Lohahevitra lehibe