Ny dingana voalohany tsy maintsy atao rehefa nifanapatapak’ahitra ny olona lahy sy vavy fa tena hiroso amin’ny fanambadiana, dia « ny fisehoana sy ny fiantranoana »
NY FISEHOANA :
Aorian’ny fanapahan-kevitra ataon’ny zazalahy sy zatovovavy, rehefa nifampizaha toetra nandritra ny fotoana maharitraritra ihany dia mifanaiky izy roaroa fa haseho eo anatrehan’ireo Ray aman-dRain’ilay zatovovavy ilay zatovolahy miakasa haka azy ho vady. Izany dia atao aorian’ny dinika sava ranon’ando ataon’ilay zatovovavy amin’ireo Ray aman-dReniny niteraka azy na koa nitaiza azy (raha toa ka kamboty izy). Io no antsoina hoe : Fisehoana.
Anjaran’ilay zatovolahy koa indray no mitatitra izay “Fisehoana” izay eo amin’ireo Ray aman-dReny niteraka azy na ireo nitaiza azy (raha toa ka kamboty izy). Rehefa mifanaiky izy ireo dia mangataka fihaonana amin’ireo Ray aman-dRain’ilay zatovovavy ny Ray aman-dRenin’ilay zatovolahy. Izay fihaonan’ny Ray aman-dreny roa tonta handinika sy handrindra ny fotoana hanaovana ny fangataham-panambadiana, satria efa mifankatia ny ankizy.
Ny VODIONDRY (Fangatahana)
Ny vodiondry dia fanajana ny ray aman-drenin’ny vehivavy sy fanomezam-boninahitra. Fomba malagasy hanamarihana ny fifamatorana ara-panambadiana. Ireo dingana hatao hatanteraka ny vodiondry tamin’ny fomba malagasy dia : voalohany indrindra ny fanapahan-kevitry ny lahy sy ny vavy hifanambady, faharoa dia ny Fitadiavana andro tsara hanatanterahana ny fomba, fahatelo dia ny fiantranoana na fihaonana amin’ny fianakaviana izay misy kabary, ary fahaefatra farany dia ny fanatanterahana ny vodiondry.
Rehefa tafiditra ao antokantranon-drazazavavy ny vahiny dia toy izao no fizotry ny kabary am-panambadiana :
• Mpangataka : Manontany havoriana – vaky lela – dom-baravarana – ala fady.
• Mpamoaka: Valin’ny havoriana.
• Mpangataka: – Azafady + ala sarona .- Fialan-tsiny.- Hasina sy arahaba ary firarian-tsoa.- Ranja kabary.
• Mpamoaka:
– Azafady + ala sarona.
– Fialan-tsiny.
– Hasina sy arahaba ary firarian-tsoa.
– Ranja kabary.
– Fisaorana vaky lela, dom-baravarana, ala fady- Tokim-pitiavana.
• Mpangataka: Valin’ny tokim-pitiavana.
• Mpamoaka: Fisaorana noho ny tokim-pitiavana.
• Mpangataka: Fanomezam-bodiondry.
• Mpamoaka: Mandray vodiondry ary maneho fisaorana.
• Mpangataka: Mangataka ny hampandrosoana an-drazatovovavy.
• Mpamoaka: Mampiditra an-drazatovovavy + filazana azy ny dinika vita sy fananarana.
• Mpangataka: Fanolorana peratra rehefa avy nokarohina ka hita.
• Mpamoaka: – Fanasana ho amin’ny sakafo raha misy.
– Mofomamy: tapahin-drazatovolahy ny mofo ho an’drazatovovavy (fanapahana ny fitiavana / didian-drazatovovavy koa ny fitiavany ho an-drazatovolahy manontolo).
• Mpamoaka: Fisaorana.
• Mpangataka: Fisaorana.
Toy kosa ireo fomba fanao hisorohana ny tsiny ama-pondro :
– ny tampimason’anadahy : izay tsy inona fa fomba fangatahan-dalana amin’ny anadahy fa hiresaka zava-pady eo imasony dia ny fanambadiana izany.
– ny vodiondry : io kosa dia atolotra ny renin-drazazavavy. Ny fahatontosana an’io no manamarika ny fifatoran’ny fanambadiana ara-piarahamonina. Manana anjara toerana lehibe tokoa io fomba io, araka izany, satria « tsy tsara ny mitari-bady tsy lasam-bodiondry », hoy ihany ny Ntaolo. Niovaova endrika ny fomba enti-manolotra azy io : valopy tao alohaloha tao, dia niova ho lambakely tato aoriandriana ampiarahana amin’ny vatokely vitsivitsy, mba ho firariana fa ho mafy tahaka ny vato ny fatoram-panambadiana izay ajoro.
Ankehitriny dia kitapo kely vita amin’ny landy tsara tarehy, misy kofehy miloko ranom-bolamena io. Mety ho angetsana angamba, hoy ianao, kanefa angetsana manandratra avo ny satan’ny fanambadiana.
– ny saronan-karona : sady fangatahan-dalana amin’ny zoky vavy io satria mandeha manambady alohany, no fanomezana tsodrano azy koa hahita ny anjarany. Harona kely mifanarona mitahiry fanomezana miavaka ataon-jandriny amin-jokiny io. Ny ho zaodahy no manolotra azy.
Ireto koa misy ampaha-pomba mifandraika amin’ny fangataham-bady rahatr’izay :
1. Fisehoana raha haka vady mba hahalalana fa tsy sangisangy tsy akory na sanatria ka hanao fanahin-jiolahim-boto na ho fitovoana foana.
2. Fiantranoana sy fanateram-bodiondry ; ary amin’izany dia misy fombafomba izay mitoko telo miefa-madinika toy ny rano ankitsak’akoho toy izao :
3. Fampakaran-teny fa tsy azo atao ny mitratrevatreva fiavy fa tsy maintsy mandady rariny sady vonona hanaraka ny hitsiny. Ampandrosoina vao mahazo miditra.
4. Fialan-tsiny araka ireny efa fanaom-bahoaka sy ny fanaon’ny mpikabary raha handroso ny fitenenana ireny.
5. Dom-baravarana ka misy vola atolotra amin’izany ho mariky ny hafaliana sahady fa nahazo nandroso. Efa be ny fanantenana na tsy mbola manomboka akory aza ny resaka. Vola io
6. Sava ranonando, izany hoe, hiditra sy hanitsaka ny trano izay efa nohitsahin’ny razana efa nialoha ka dia manolotra ny haja sy ny sava ranonando amin’ny alalan’ny làlan-kodiavina. Vola io
7. Aron-driaka na fanalana diso, izany hoe, be ny dinika sady ho be ny resaka ka ny teny maro tsy ilaozan’ota, sady be ny zava-tsy fantatra ; mpangataka fa tsy tompony. Ny mihinana aza misy latsaka; koa raha sanatria misy diso na zava-tsy fantatra nefa tokony ho natao dia aza itsingolohana izay vava diso na fahadisoana lahy fa areno ka ataovy zana-borona vonjen’ny reniny; atoroy fa toko tapaka, vilany mitongilana ka izay tsy mety areno. Koa dia atolotra mialoha mba ho fisorohana ny fahadisoana ny “aroriaka raha main’andro”. Vola io
8. Alafady, izany hoe, hiteny fanambadiana eto anatrehan’ny olom-pady dia ny ray aman-dreny sy ny anadahin-jaza rehetra sy ny olom-pady hafa koa ao anatin’ny fianakaviana ka dia indro atolotra ny « alafady »Vola io
9. Fangatahana hikabary sy hidinidinika ka miera fa ny akoho no maty eran’ny mpivady ary ny fanambadiana no raikitra eran’ny mpianaka.
* Tsy misy vola.
10. Fanolorana ny vodiondry izay kofehy lehibe hamatorana ny fanambadiana fa mahamenatra sy mahafa-baraka izany mitari-bady tsy lasam-bodiondry. Vola io, ary vola be tokoa.
11. Valim-babena, hani-mamy, solon-draharaha, kilalaon-jaza, lamba sy akanjon-dray aman-dreny. Vola io.
12. Hajan’ireo kiady sy voninahitry ny zazavavy; zaram-pangadin’anadahin-jaza, saron’ankaron’ny rahavavin-jaza fahatsiarovana ireo anadahin-drenin-jaza sy rahavavin-drenin-jaza ; rahalahin-drain-jaza sy anabavin-drain-jaza fa izany no atao hoe « fianakaviana ». Vola avokoa.
13. Solon-taozavatra ho harena hikambanan’izy mivady sy hampitomboiny. Vola io.
14. Hajan’ny mpikabarin-dRazazavavy dia ny rano an-tandrom-potsy izany hoe, toaka no atolotra na solon-toaka rehefa tsy misy ny toaka. Vola io.
15. Veloma farany fa hiainga ka dia atolotra ny saran-tsodrano sy ny ranom- bavaka mahabe fitahiana. Vola io.
Laisser un commentaire