Kabary

Ny kabary dia lahateny atao amin’ ny feo avo ka entina hampitana hafatra ary matetika ravahina amin’ ny hainteny sy ohabolana sady atrehin’ olona maro. 

Izy io dia antoko iray lehibe ao amin’ny karazan-dahabolana malagasy. Lahateny atao ampahibemaso, enti-mampitra vaovao sy ny tsara ho fantatra eo amin’ny tany ama-monina sy eo amin’ny tany sy fanjakàna. Ny kabary dia avy amin’ny voambolana arabo « kabar » izay midika zava-baovao na filazana, na koa voambolana Soahily « khabai » na « h’abari » na teny Malay « Kabar » izay samy midika ho zava-baovao, vaovao na filazana ny heviny. Ny Kabary dia zava-kanto vita amin’ny teny, aminy no isehoan’ny fahaiza-mifantina voambolana sy ohabolana ary hainteny mbamin’ny tsilalaon-teny hoentina maneho hevitra sy mampita hafatra amin’ny itenenana

Maro ireo tarazana Kabary, ohatra :

  • Kabary an-kafaliana : Taom-baovao, Famangiana tera-bao, tsingerin-taona nahaterahana, am-panambadiana…
  • Kabary an-karatsiana : Famangiana manjo,Fisaorana ataon’ny mpiandry faty,Kabary am-bohitra,Fandraisam-pitenenana ao am-piangonana,Kabary am-pandevenana sns…..
  • Kabarin’ny Manam-pahefana : manam-pahefana isan-tsokajiny avy (toy ny mpitondra Fanjakana ,mpitantana orinasa,lehibem-pokon’olona.,mpitantana fikambanana,sns…), manam-pahefana isan’ambaratongany (eo @ firenena sy ny iraisam-pirenena.Faritany,Faritra,Fivondronana,Kaominina,Fokontany,vohitra,sns…)
  • Kabary isakiny vanim-potoana samy hafa : Kabary 29 mars ,Kabary Fiarabana fetin’ny Reny sy reny ,Kabary 26 jona sns…….

Misy RAFITRA tsy azo dinganina amin’ ny kabary malagasy :
AZAFADY – AZATSINY – HASINA SY ARAHABA ARY FIRARIAN – TSOA – RANJAN-KABARY- FISAORANA.

Karazana Kabary voatahiry :

  • Kabary famangina manjao
    Ny kabary famangiana amin’ ny fahoriana dia lahateny atao arajka ny fomba nentin-drazana malagasy izay atao mandritra ny fitsidihana olona nidonam-pahoriana. Fotoana manetriketrika tokoa io, izay ahitana kabary maneho fanajana sy fangorahana ary fahendrena. Ny tanjona amin’ izany dia ny hampionona ny velona sy hanome voninahitra ny nodimandry. Koa hajaina ny fitsipika ara-kolontsaina amin’ ny… Lire la suite : Kabary famangina manjao
  • Kabary tera-bao
    Ny kabary famangiana tera-bao dia kabary nentim-paharazana malagasy atao amin’ ny fitsidihana ny vehivavy sy ny fianakaviana nahazo zazakely vao haingana.Ity kabary ity dia manambara tso-drano, fankasitrahana, fifaliana iombonana, ary firaisankina amin’ ny maha mpiara-monina. Fizotran’ ny kabary MpamangyTompokolahy sy tompokovavy.Sambatra ny vary: afafy miara-maniry, akarina miara-mitoetra: tohan’ ain’ ny olombelona, reharehan’ ny manana azy.Fa samba mihoatra… Lire la suite : Kabary tera-bao
  • Kabary am-panambadiana
    Ny kabary am-panambadiana dia lahateny voarindra sy kanto, mampiasa ohabolana sy oha-pitenenanana ary teny ankolakaizay, izay singa fototra sy atao manetriketrika amin’ ny fanambadiana araka ny fomba nentim-paharazana eto Madagasikara. Hita taratra amin’ izany ny haren’ ny kabary malagasy sy ny soatoavina ara-kolontsaina, ary ny maha zava-dehibe ny fianakaviana eo amin’ ny fiarahamonina. Fizotran’ ny… Lire la suite : Kabary am-panambadiana

Azo jerena ihany koa

Sokajy

Lohahevitra