Fomba gasy

Ny fomban-drazana malagasy dia ny fomba amam-panao malagasy nentim-paharazana rehetra izay lovain’ ny taranaka nifandimby. Izany dia ny fitsipika ny fiainana, ny finoana, ny fihetsika amin’ ny fombafomba ary ny soatoavina izay mandrindra ny fiainana andavanandro, ara-piarahamonina sy ara-panahin’ ny Malagasy. Ny faritra tsirairay eto Madagasikara dia samy manana ny endrik’ ireo fomba ireo.

Maro oreo tarazana comba gasy ary misy fotoana manokana eo @ fiainana no tokony hanaovana ny fomjba.

Ho an’y olona iray, dia ireto ireo sokajy lehibe misy fomba izay matetika atao :
– Ny fahaterahana
– Mivoaka itany
– Ala volon-jaza
– Ny famorana (raha lahy)
– Ny fanambadiana
– Ny fahafatesana
– Ny famadihana

Maro koa ny fomba izay azo atao fa miankinay @ toe-javatra miseho izany matetika, toy ny : fati-drà, Joro, …

Azo jerena ihany koa :

  • Ny fisehoana sy vodiondry
    Ny dingana voalohany tsy maintsy atao rehefa nifanapatapak’ahitra ny olona lahy sy vavy fa tena hiroso amin’ny fanambadiana, dia « ny fisehoana sy ny fiantranoana » NY FISEHOANA : Aorian’ny fanapahan-kevitra ataon’ny zazalahy sy zatovovavy, rehefa nifampizaha toetra nandritra ny fotoana maharitraritra ihany dia mifanaiky izy roaroa fa haseho eo anatrehan’ireo Ray aman-dRain’ilay zatovovavy ilay… Lire la suite : Ny fisehoana sy vodiondry
  • Famadihana
    Famadihana Ny famadihana dia famoahana indray avy ao am-pasana ny havana efa maty, izany hoe ny razana, mba ho fahatsiarovana sy ho mari-panajana azy ireo ary ho fangataham-pitahiana aminy. Amin’ izany dia entina am-pasan-drazana ny taolambalon’ izay maty tany an-tany lavitra izay nalevina tamin’ ny fasana vonjimaika (fasana anirotra na aniritra), na raha efa nakevina am-pasan-drazana izy dia famonosan-dambamena no… Lire la suite : Famadihana

Azo jerena ihany koa

Sokajy

Lohahevitra