IKOTOFETSY SY IMAHAKA : ny niantombohany

Angano Angano, Arira Arira; Izaho Mpitantatra, Ianareo Mpihaino…

IKOTOFETSY SY IMAHAKA 

Indray andro, hono, tafahaona Ikotofetsy sy Imahakà. Ikotofetsy nivimbina harona ary Imahakà kosa nilanja angady.
-Inona, leiroa, ity entinao anaty harona? hoy Imahakà.
-Reniakoho matavy ity! Hamidiko any an-tsena izy ity, hoy Ikotofetsy namaly azy.
-Ny ahy ity angady vao notefena, entiko hamidy eny an-tsena ihany koa.
-Tena mba ilaiko ny angady…
-Tena mba ilaiko koa ny reniakoho…Dia nifanakalo entana teo izy roalahy, ary nisaraka teo, Ikotofetsy nianatsimo ary Imahaka nianavaratra.

Faly Ikotofetsy fa nahazo angady. Nisiotsioka izy namonjy fodiana, nieritreritra ny tombony tamin’ny takalo izay nataony.
Imahakà kosa mailaka ery fa maika hahandro reniakoho matavy.

Nandalo tanimboly ny lalan’Ikotofetsy. Sendra ny fahavokaran’ny mangahazo tamin’izay ka avy hatrany dia nanapa-kevitra ny hihady roa na telo fototra teo izy.

-Aleo hampiasaina aloha ity angady vaovao ity, hoy Ikotofetsy. Ho faly ny ao an-trano raha sady mitondra sakafo aho no mitondra angady koa.
Vao natsatoka anefa ny angady dia vaky niparitaka.
Teo vao hitan’Ikotofetsy fa tanimanga no nanamboarana ity angady…

-Mpijoko voajoko aho ity, hoy Ikotofetsy, nisafo loha, nihomehy irery. Dia niverin-dàlana izy hizaha an’Imahakà.Imahakà kosa, raha vao lasa lavidavitra dia niato kely, naka aina teo ambody hazo iray:-Nahoana moa raha amidiko eny an-tsena ity reniakoho ity, hoy izy. Izaho ve dia hivesatra an’ity indray, hody any an-trano any? … Aleo aloha hotombanana ity izy, hiheverana ny mety ho vidiny.

Nosokafany ny harona…nivoaka toy ny tsy tao ny goaika iray, nikopaka elatra ary lasa nanidina. Very ny akoho matavy! Tsy nahomby ny tetika!

Tapa-kevitra Imahakà fa hiverina hitady an’Ikotofetsy.

Vao nifankahita izy roalahy dia nitokelaka sady loa-bava noho ny hafetsen’ny andaniny avy, ary  nanapa-kevitra izy ireo fa ho mpinamana.


Commentaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *