Auteur/autrice : r@n0kOm83

  • Kabary famangina manjao

    Ny kabary famangiana amin’ ny fahoriana dia lahateny atao arajka ny fomba nentin-drazana malagasy izay atao mandritra ny fitsidihana olona nidonam-pahoriana. Fotoana manetriketrika tokoa io, izay ahitana kabary maneho fanajana sy fangorahana ary fahendrena. Ny tanjona amin’ izany dia ny hampionona ny velona sy hanome voninahitra ny nodimandry. Koa hajaina ny fitsipika ara-kolontsaina amin’ ny…

  • Kabary tera-bao

    Ny kabary famangiana tera-bao dia kabary nentim-paharazana malagasy atao amin’ ny fitsidihana ny vehivavy sy ny fianakaviana nahazo zazakely vao haingana.Ity kabary ity dia manambara tso-drano, fankasitrahana, fifaliana iombonana, ary firaisankina amin’ ny maha mpiara-monina. Fizotran’ ny kabary MpamangyTompokolahy sy tompokovavy.Sambatra ny vary: afafy miara-maniry, akarina miara-mitoetra: tohan’ ain’ ny olombelona, reharehan’ ny manana azy.Fa samba mihoatra…

  • Ody kibo

    Fa tandremo mila mandeha dokotera raha ohatra ka tsy mety tony na miafana anatin’ny 2 andro Marary kibo mivalana  Maka tantely iray sotro sy tany fotsy dia afangaro. Iny no hohanina fa ho hitanao fa vetivety dia ho afaka ny fivalanana  Marary kibo misy rivotra Azo jerena ihany koa

  • Ny fisehoana sy vodiondry

    Ny dingana voalohany tsy maintsy atao rehefa nifanapatapak’ahitra ny olona lahy sy vavy fa tena hiroso amin’ny fanambadiana, dia « ny fisehoana sy ny fiantranoana » NY FISEHOANA : Aorian’ny fanapahan-kevitra ataon’ny zazalahy sy zatovovavy, rehefa nifampizaha toetra nandritra ny fotoana maharitraritra ihany dia mifanaiky izy roaroa fa haseho eo anatrehan’ireo Ray aman-dRain’ilay zatovovavy ilay…

  • Kabary am-panambadiana

    Ny kabary am-panambadiana dia lahateny voarindra sy kanto, mampiasa ohabolana sy oha-pitenenanana ary teny ankolakaizay, izay singa fototra sy atao manetriketrika amin’ ny fanambadiana araka ny fomba nentim-paharazana eto Madagasikara. Hita taratra amin’ izany ny haren’ ny kabary malagasy sy ny soatoavina ara-kolontsaina, ary ny maha zava-dehibe ny fianakaviana eo amin’ ny fiarahamonina. Fizotran’ ny…

  • Famadihana

    Famadihana Ny famadihana dia famoahana indray avy ao am-pasana ny havana efa maty, izany hoe ny razana, mba ho fahatsiarovana sy ho mari-panajana azy ireo ary ho fangataham-pitahiana aminy. Amin’ izany dia entina am-pasan-drazana ny taolambalon’ izay maty tany an-tany lavitra izay nalevina tamin’ ny fasana vonjimaika (fasana anirotra na aniritra), na raha efa nakevina am-pasan-drazana izy dia famonosan-dambamena no…

  • Ikotofetsy sy Imahakà :  Tafahoana ny samy fetsy

    Angano Angano, Arira Arira; Izaho Mpitantatra, Ianareo Mpihaino…Ikotofetsy sy Imahakà :  Tafahoana ny samy fetsy Niainga, hono, Ikotofetsy sy Imahakà, ka Ikotofetsy mponina avy any andrefana ary Imahakà mponina avy any atsinanana. Ikotofetsy moa andeha hiantsinanana ary Imahakà kosa andeha hiankandrefana, ka tafahaona teo an-dohasaha izy roa lahy dia nifampiarahaba. Imahakà nitondra angady tanimanga voahosotra manjarano,…

  • IKOTOFETSY SY IMAHAKA : ny niantombohany

    Angano Angano, Arira Arira; Izaho Mpitantatra, Ianareo Mpihaino… IKOTOFETSY SY IMAHAKA  Indray andro, hono, tafahaona Ikotofetsy sy Imahakà. Ikotofetsy nivimbina harona ary Imahakà kosa nilanja angady.-Inona, leiroa, ity entinao anaty harona? hoy Imahakà.-Reniakoho matavy ity! Hamidiko any an-tsena izy ity, hoy Ikotofetsy namaly azy.-Ny ahy ity angady vao notefena, entiko hamidy eny an-tsena ihany koa.-Tena mba…

  • Ody sery

    Raha sery no resahina, ireto misy santionany amin’ny zavatra azo atao ho fanantoniana sy histaboana ny sery. Fa tandremo fizarana sy fampahafantarana fotsiny ito. Mila mandeha dokotera raha ohatra ka tsy mety tony na miafana anatin’ny 2 andro Azo jerena ihany koa

  • Rapeto

    Rapeto sy Rasoalao Angano Angano, Arira Arira; Izaho Mpitantatra, Ianareo Mpihaino… Rapeto hono, dia Vazimba talohan’izany Andriamanelo, mpanjaka taty fony fahagola. Teo Ambohidrapeo andrefan’Antananarivo, no vohitra nitoerany. Lavabe nahatakatra ny lanitra izy. Tany anaty ala atsinana no nandrahoiny ny variny, nefa tany Ambohidrapeto no nihinanany azy.Tany Ambohitrarahaba, avaratr’Antananarivo, no filalaovany, ka nataony indray mandingana ihany…

Sokajy

Lohahevitra