Angano

Ny angano dia lahabolana malagasy ambava, tantara noforonina tsy voatery ho nisy(tsy voatery ho olona noho izany ny mpandray anjara fa mety ho biby, hazo, biby miteny, olona mihinana olona…) , natao ho fitaovam-pitaizana sy fanabeazana taratry ny zava-misy eo amin’ny fiainana. Mifono anatra mandrakariva izy io: fahalalana, fahendrena, fahaiza-miaina, fitsipi-piainana.
Tsy fantatra mazava ny mpamorona ny angano, fa ampitampitaina amin’ny taranaka amin’ny alalan’ny lovan-tsofina.

Ny Ankara asan’ny Kabary dia :
– Mifono anatra sy fahaiza-miaina ary fahendrena,
– Fitaovam-panabeazana natao hahaliana sy hampitolagaga mba hisintonana ny fo amam-panahin’ny mpihaino na mpamaky.
– Natao ho fialam-boly rehefa reraky ny lahasa sy ny lalao ny mpianakavy ka henoina eo amorom-patana ny angano ary tanterahin’ny renibe na ny zokiolona.
– Tsy nisy Sekoly fahiny, noho izany, nentina nanazava ny zavatra tsy takatry ny saina sy ny fisiana na ny fiforonan’izao tontolo izao ny angano.
– Mampivoatra ny fiarahamonina ny angano satria natao hamolavola olom-banona sy ho mendrika hiara-miaina izy.
– Maneho ny fomba fijerin’ny Malagasy ny tontolo nisy tany am-piandohana ny angano

Mirafitra toy izao ny angano :
– Ny toe-javatra iaingana: izay miseho eo am-piandohana. Mateika io miatomboka amin’ny hoe : “Indray andro, hono, …”; “nisy, hono,…”; “fahiny elebe, hono,…”; “fahagolan-tany, hono,…”;
– Ny toe-javatra manelanelana: entin’ny singa mpanova, miantoka ny fivoaran’ny tantara.
– Ny toe-javatra iafarana: maneho ny fivahan’ny olana na tsia.Ary matetika faranana amin’ny hoe : “Izany, hono,,..”; “angano, angano, arira, arira,…”;

Ireo angano voatahiry :

  • Ikotofetsy sy Imahakà :  Tafahoana ny samy fetsy
    Angano Angano, Arira Arira; Izaho Mpitantatra, Ianareo Mpihaino…Ikotofetsy sy Imahakà :  Tafahoana ny samy fetsy Niainga, hono, Ikotofetsy sy Imahakà, ka Ikotofetsy mponina avy any andrefana ary Imahakà mponina avy any atsinanana. Ikotofetsy moa andeha hiantsinanana ary Imahakà kosa andeha hiankandrefana, ka tafahaona teo an-dohasaha izy roa lahy dia nifampiarahaba. Imahakà nitondra angady tanimanga voahosotra manjarano,… Lire la suite : Ikotofetsy sy Imahakà :  Tafahoana ny samy fetsy
  • IKOTOFETSY SY IMAHAKA : ny niantombohany
    Angano Angano, Arira Arira; Izaho Mpitantatra, Ianareo Mpihaino… IKOTOFETSY SY IMAHAKA  Indray andro, hono, tafahaona Ikotofetsy sy Imahakà. Ikotofetsy nivimbina harona ary Imahakà kosa nilanja angady.-Inona, leiroa, ity entinao anaty harona? hoy Imahakà.-Reniakoho matavy ity! Hamidiko any an-tsena izy ity, hoy Ikotofetsy namaly azy.-Ny ahy ity angady vao notefena, entiko hamidy eny an-tsena ihany koa.-Tena mba… Lire la suite : IKOTOFETSY SY IMAHAKA : ny niantombohany
  • Rapeto
    Rapeto sy Rasoalao Angano Angano, Arira Arira; Izaho Mpitantatra, Ianareo Mpihaino… Rapeto hono, dia Vazimba talohan’izany Andriamanelo, mpanjaka taty fony fahagola. Teo Ambohidrapeo andrefan’Antananarivo, no vohitra nitoerany. Lavabe nahatakatra ny lanitra izy. Tany anaty ala atsinana no nandrahoiny ny variny, nefa tany Ambohidrapeto no nihinanany azy.Tany Ambohitrarahaba, avaratr’Antananarivo, no filalaovany, ka nataony indray mandingana ihany… Lire la suite : Rapeto