Kabary am-panambadiana

Ny kabary am-panambadiana dia lahateny voarindra sy kanto, mampiasa ohabolana sy oha-pitenenanana ary teny ankolakaizay, izay singa fototra sy atao manetriketrika amin’ ny fanambadiana araka ny fomba nentim-paharazana eto Madagasikara. Hita taratra amin’ izany ny haren’ ny kabary malagasy sy ny soatoavina ara-kolontsaina, ary ny maha zava-dehibe ny fianakaviana eo amin’ ny fiarahamonina.

Fizotran’ ny kabary

Kabary teny fampidirana ataon’ny Mpangata-bady

Tompokolahy sy Tompokovavy

Ny tonga tsy miarahaba hono, naman’ny tezitra.
Ny arabaina tsy mamaly naman’ny sosotra.
Koa ny voalohan-teninay dia ny fiarahabana anareo, nandray anay amin’ity tokantrano ity.
Arahaba tsara tompokolahy arahaba tsara tompokovavy.

Manaraka izany, ny andraso andraso hono mahariva andro, ny andao andao maha very entana, nefa na maika aza tsy hitondra entana tsy voafehy.

Koa marina fa ny amin’ny fotoana tahaka izao, dia ny fianakaviana avy aty amin’ny zatovolahy no andrasana, nefa ny manotany tsy ananan-tsiny tompoko ka aleo hono tompoko manontanitany foana hihomehezana toy izay manao taofoana ho tezerana, efa eto ve ireo angady mahatapak’ahitra antsy mahorom-bilona ireo solontenan’ny fianakaviana mahatapa-kevitra hahafahantsika miroso amin’ny dinika sa mbola misy ny andrasana? .
Raha toa ka efa eto izy ireo, tompoko dia hatombotsika ny dinika, raha toa moa  mbola misy ny andrasana dia zanaky ny fanantenana izay ka mbola vonona ny hiandry.
Misaotra tompoko!

Famaliana kabary ataon’ny Mpamoaka

Tompokolahy sy Tompokovavy

Tsy sanatria aminay ny hanao toy ny ranon’Ikopa ka tonga namana vao mavomavo, fa faly izahay miarahaba anareo ato an-tokatranonay.
Ianareo no andrasana tompoko, efa eto avokoa ireo solontenan’ny fianakaviana izay atrehi-mahefa, iambohoava mahavita.
Afaka miroso amin’ny resaka sy ny dinika isika tompoko.

Mialoha izany anefa, ao ilay tenin’ny soratra masina manao hoe: “Raha tsy Jehovah/Andriamanitra no manao ny trano, dia miasa foana ny mpanao azy, raha tsy Jehovah/Andriamanitra no miambina ny tanàna, dia miaritory foana ireo mpiambina”.
Raha tsy Izy no nitantana sy nivimbina antsika, nahafahana nihaona toy izao dia tsy tanteraka izany.
Koa rariny sy hitsiny raha hisaotra azy isika mialoha ny dinika sy ny resaka.
(Afaka asina vavaka ksely)

Ranjan-Kabarin’ny Mpangata-bady

Mpangataka: Kabary savaravina

Izay no ela, Tompokolahy sy tompokovavy, saingy ela tsy azo lalovam-potsiny, fa ela nisavasavana ny raviny ka nahitana ny fotony, dia ny fototr’izao nahatafaray antsika mianakavy izao: ny fanambadiana ara-pomba Malagasin’ ireo zanatsika izany.

Tonga eto izahay, tompoko manotrona sy manome voninahitra izao zatovolahy efa nomenareo toerana voatokana izao, azafady mba mintsangana kely ianao ho hitan’ny olona, ry … (Anaran’ilay tovolahy).

Tovolahy izao tompoko:
– Raha mivoaka maro mpitazana
– Raha mivolana maro mpihaino
– Raha mandeha maro mpanotrona
– Raha miasa maro mpandrisika

Sady matahotra no manam-pahendrena ny tovolahy tompoko. Tsy misy mihitsy ny ohatr’izao. Manasa anao hipetra amin’izay ary misaotra anao.

Volana vitsivitsy lasa izay dia niteny tamin’ireo Ray aman-dreniny izy nanao hoe: Fony mbola zaza aho dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza, fa ankehitriny kosa efa nilaozako ny fahazazana”.

Efa nilaozany ela hono tompoko ny fahazazana, efa nidirany ny fahatanorana. Maro ny adidy aman’andraikitra  izay iantsorohany amin’izany”. Ka mahatsiaro mila namana izy hifanohana aminy hifanampy amin’ny sarotra, hifamahana raha noana, hifampitsabo raha marary, hifanafy raha rovi-damba ,hifampionona raha ory, hifanotrona raha faly, fa raha tokam-pivoy hono tompoko, tsy misosa.

Koa raha nijery sy nifantina izy dia resy lahatra fa maro ny soratr’omby fa ny sada no marevaka, maro ny vorona fa ny railovy no manga feo, ary maro ny tovovavy fa ny zanakareo … (anaran’ilay tovovavy) ihany no nandrian’ny sainy.
– Eto aminareo hono tompoko, no misy ilay havozo hanitry ny ala.
– Rambiazina hanitry ny tanety, voasary hanitry ny saha.
– Tongolo manga afaka, fary manga vololona.
– Ravin-tambolo tian’ny nify ,ravin-tapia tian-dandy
– Tsara fanahy sitrak’olona
– Ny lalovany aza mamerovero, maika fa ny lamba tinafiny

Koa tonga eto aminareo izahay tompoko solontenan’ny fianakaviana avy amin-xxx-dadabe sy xxx_bebe avy amin’ny lafin-dray, xxx-dadabe sy xxx_bebe avy amin’ny lafin-dreny ;izay niteraka an’Atoa xxx_ray sy Rtoa xxx_reny ireo no masoandro amam-bolana nisehoan’ny zatovolahy xxx_Tovovahy izay nitondra anay aty aminareo , izay tsy iza fa Ra…… sy Ra……  (Ray aman-dreniny zatovovavy), taranaka avy amin-dRa….. sy Ra……. Avy amin’ny lafin-dray, teraky Ra……… sy Ra……… avy amin’ny lafin-dreny.

Ireo no:
– Tendrombohitra niteraka ny havoana
– Havoana nitera-dohasaha
– Lohasaha nitera-doharana
– Loharano nipoiran’ny zatovovavy xxx_Tovovavy, izay hangatahin’ny zanakay ho tokatranony.

Tonga izahay tompoko hangatakany ho vohitra, ny ho tokatrano, ny ho farany ho dimby ny ho loharanon-taranaka.
Ny vero no afa-mijoro, hono teny iarana avy amin’ny rivotra ny jabo no azo tafiana teny iarana avy amin’ny landy ny laingo no azo hohanina teny iarana avy amin’ny vary ,ny fanambadiana no tanteraka teny ierana avy amin’ny fototra niandohana, na dia eo aza ny fifankatiavan’izy roa.
Tsy avy manao sinto-mahery izahay tompoko na tonga hitratrevatreva , fa tonga kosa amin’ny teny malefaka sy ny ladim-pihavanana, manatanteraka ny dinidinika ambany tafon-trano, mba ho fanomezan-kaja amam-boninahitra anareo.
Koa mangataka ny zatovovavy xxx_Tovovavy ho tokatranon’I xxx_Tovolaht izahay.

Ho hasoavin’Andriamanitra amin’izay valin-teny omena ianareo tompoko.

Ranjan-Kabarin’ny Mpamoaka

Mpitondrateny avy amin’ny zatovovavy: Kabary savaravina

Tsy hanao tahaka ny vatolahy mijoro amoron-dalana izahay, arahabain-tsy mamaly, iresahana tsy mivolana, fa anananay ny sofina mihaino, ny saina mandinika, ny vava miteny, ka ho valinay tokoa ny resakareo teo satria ny teny ifamaliana mahatsara fihavanana.
Koa misaotra indrindra anareo izahay fa notafianareo haja, notoloranareo voninahitra; tsy sahinareo natao tany ivelam-bohitra ny fitiavana, fa nosafidianareo ny dinika ambany tafon-trano koa misaotra indrindra tompoko.

Manaraka izany, he indray zatotovolahy entinareo
 – Tendrombohitra tsy mihoatra an’Ankaratra
 – Lohasaha tsy mihoatra an’Ilepona
 – Tovolahy tsy mihoatra anao izao

Vao tery lavitra tery ianareo dia efa nampirisika ny tanora hoe: “aza asiana resaka lava intsony fa sao ianao manao boka mihalo-poza ka manosika azy hiverina”

Ireo Ray aman-dreny indray, izay tsy tehanolo-bato mafana ny zanany dia nanafatra fa: Aoka ianao tsy ho dorokan’ny fidoroboky ny ankoholahy fahavaratra, fa lasan-ko volo  fotsiny ireny.
Borahy ny farihy hahitana ny trondro.
Savasavao ny fotony hahitana ny vahany.

Tsy sanatria akory tompoko, zanaka tsy tiana ny anay ka zara aza misy mpangataka, fa sarobidy loatra aminay izy io izy no kalokalo mpampangina tomany, tsikitsiky fanao ody sento aminay, ka tsy mety aminay ny mihinana amam-bolony.

Misy koa ny fitenenana manao hoe; “tsara ny sora-jandiana fa ny miofo ny tsy laitra, na ho tratry ny andro dia vasoka”
Diniho tsara Andriamatoa fa sao dia toy ny ranomaso teren-tsetroka fotsiny, na fitia alain’ny maso raha jerena afaka ihany, sao fitia nalaina teny an-pakana kitay ka levona am-pisoronana afo.

Mety hilaza angamba ianareo hoe: nanahoana no dia nanantsafa tahaka izany indray. Tovolahy hangata-bady ve hanotaniana fitiavana?
Ny manadihady anefa tsy ananan-tsiny tompoko, ny mamakafaka tsy ananam-pondro, ary amin’ny maha andron’ny fitiavana ny anio, dia tianay ho velon-tsoratra tsara izany fitiavana izany, ny lasa fantatray fa nahafinaritra, ny anio tsara fa hanao ahoana kosa lahy, ny ampitso, ny ho avy ny mandrakizay?

Tianay ho tanteraka ara-bakiteny ilay fitenenana feno fahendrena manao hoe:
Raha tiana ho tody ny laka-nitana, avadiho ahitana ny hatevin-damosiny, raha tiana hateza ny lamba nitafy, tsongoy izany tenony, ndrao dia tsy mafy, ary raha tiana hateza ny fanambadiana ny tokim-pitiavana hanotaniana?

Aza atao hoe mikom-damba, anaty zavona izahay, ka manao izay tsy hifankahitana, fa matoa izahay manao aro riaka raha main’andro matahotra ny tondra-drano raha fahavaratra, matoa izahay miadam-pinaritra dia mitady ilay marin-tampona hijanona.

Mba te hahazo toky ireto fianakaviana ireto, koa tena tianao marina ve i xxx_Tovovavy?

Kabary famaliana Tokim-Pitiavana

Mpangataka
Tompokolahy sy Tompokovavy

Matoa hono ny kakafotra no be antsoantso, dia tandindomin’ny oran-koavy, ny omby no mimà, tsy haitraitra embonembona, ny akoho no mikakakaka asesiky ny atody .
Ary xxx_Tovolahy no tonga eto asesiky ny fitiavany an’i xxx_Tovovavy.

Raha ny tokony ho izy, dia izy mivantana mihintsy no hamboraka izany, ampahabemaso eto, nefa raha izay no resahiny tamiko izay, na dia haraina eto aza ny andro, dia tsy ho vita izany.
Koa zaran’ny siny hono, ny miaritra ny mahangoly, zaran’ny vilany ny miaritra ny mahamay, zaran’ny toko ny mibata ny mavesatra; ary raha anjara no resahana, fantatra fa ny vitsika aza mba mitondra izay zakany maika moa fa isika olombelona. Koa anjarako ny mitondra fitenenana eto ankehitriny.
Aza matahotra ianao xxx_Tovolahy fa ataoko toy ny vato kolonjy natelim-boay ny teny nampitondrainao ahy, atelin-tsy lo; aloa tsy miova bika.
somary gaga ihany tokoa izahay, raha vao nahare ny fanontaniana natonareo teo, tovolahy hangata-bady ve ho anontaniana fitiavana?
Nahoana no dia manatsafa tahaka ny mpaka afo?
Rehefa mandinika anefa izahay dia misaotra anareo ihany, satria tsy nanafim-bato hanafitohina ianareo na nanao resaka tokana zary fosa, fa ny volana imaso tsy mba kilema.
Koa misaotra indrindra re tompoko o.

Tsapanay fa olon-tsoa, olom-banona tokoa ianareo no iandrana vovona
Hoy ny tenin’I xxx_Tovolahy hoe: alamino, hono, ny saina, tonio ny eritreritra fa ny hitsikitsiky tsy miala amin- kazo, ny mpianala tsy manadino famaky, ny mpiandakana tsy misaraka amin’ny fivoy, ary ny tovolahy hapaka-bady tsy misaraka amin’ny fitiavana, ka hoy izy hoe:
– Tiany tahaka ny tenany, hono I xxx_Tovovavy; raha tsy ny ainy no tapitra, tsy foana ny fitiavany.
– Tiany tahaka ny lamba landy, ka raha vao reharehany, madio voninahiny, hitafiany raha mangatsiaka, hisampinany raha faly, hihokonany raha malahelo, hisarongitany raha tezitra, hisikinany ny raha miasa.
Raha fintinina izany dia eto an-tany tsy mifandao ary na any am-pasana aza tsy mifanary.
Raha lazaina amin’ny fomba hafa indray dia aza matahotra ianareo fa tsy tahaka ny ranon’ando akory ka tsy tratrin’ny andro maraina, ary natratrany aza manjavona.
Fa toy ny loharano tsy manam-paharitana, ririnina misy hotsifina, fahavaratra be hantsakaina.
Fitia tsy vasoky ny’ny andro, tsy lefin‘ny alinam tsy voaovan’ny taona
Henonareo amin’izany, tompoko ny teny nampitondrain’I xxx_Tovolahy; koa mamerina ny fangatahana izahay.

Tsy trano be soa no angatahinay, fa mety ho ravan’ny tafio-drivotra izany.
Tsy vola be am-bata, fa mety ho lasan’ny mpangalatra izany, fa ilay ho vohitra, ho tokantrano maharitra mandrakizay, ka raha vitan-jahatra re hono tompoko, ny mita aza safarina amin-tsambo.
Raha naharesy lahatra anareo izay nambara teo dia mino izahay fa tsy hisy hitsangan-kofefiny na hitsivalan-kohidiny intsony ianareo, fa hanome ny zanakareo xxx_Tovovavy ho tokatranon’ny zanakay xxx_Tovolahy

Misaotra indrindra tompoko.

Kabary fisaorana tamin’ny nanomezana ny zatovovavy

Mpangataka

Tompokolahy sy tompokovavy

Zina e ny vaninandro korana, fa meva fibaliaka ny masoandro.
Feno haravoana izao rehetra izao fa tafahaona, ny tamboho mitady sy ny tamboho tadiavana.

Misaotra sy mankasitra anareo izahay fa raha tonga teto nandom-baravarana dia novohanareo, raha tapatak’ahitra sy nitoritory ravina izahay dia tsy nisy mafy nalain’ny nify teto fa ny malemy niraisin’ny molotra, tsy nataonareo fola-tanana manondro na fotsy rora niteny. 

Nitady toko izahay ka sendra vato nitady mamy ka sendra tantely, nitady tiana ka tojo Malala. Nifanojo ny tia sy manina, koa faly ny fonay mianakavy, fa ny atody nakotrika foy avokoa, ny saonjo nambolena tsy namarara, ny anton-dia nahafinaritra

Misaotra tompoko!

Kabary fanolorana ny Solom-Bodiondry

Mpangataka

Te hikorana izahay te hitoto rebika nefa ao ilay fitenenana manao hoe:
– ny mihinan-kena tsy lasam-bidy hono mihinana amin’eritreritra,
– ny mitafy lamba tsy lasam-bola hono mitafy amin’ahiahy
– ary ny mitari-bady tsy lasam-bodiondry hono henatra amin’ny tany ama-monina.

Raha tamin’ny andro fahiny tokoa mantsy, dia nisy hatrany ireo fanomezana natolotra ho an’ny rafozana mba ho fanomezan-kaja amam-boninahitra azy ireo.

Tamin’ny andron-dRafohy sy Rangita ary Andriamanelo, dia ombalahy rangatandroka no atolotra.
Tamin’ny andron’Andriamasinavalona dia tanimbary no natolotra ho an’ny rafozana.
Tamin’ny andron’Andriambelomasina dia ondrilahy mivadik’ofaka no nentina ho an’ny rafozana.

Tsy lalàna raikitra anefa ireo rehetra ireo, fa ao ilay fitenenana manao hoe: “miova andriana miova sata”
Koa tamin’ny andron’Andrianampoinimerina dia nosoloina voamena ny vodiondry mba hitovizan’ny vahoaka rehetra, ka ny tovolahy tsy manam-bolamena no
mitari-bady tsy lasam-bodiondry.
Nampiarahina amin’ny vakivakim-bola sy vato velona izany voamena izany ary fonosina vorodamba fito sosona, mba hanehoana ny faniriana.
Ho mafy tahaka ny vato ny fanambadiana, ary ho saro-bahana tahaka ny fatorana ny fitiavana.

Ankehitriny tompoko, dia manolotra ny solom-bodiondry izahay nahajam-bolana ho valim-pitia ireo loharano nisehoan’I xxx_Tovovavy.
Manaraka izany, tsy havakavahana tahaka ny ketsa na hosoritsoritina tahaka ny volo fa ampiarahanay ato ihany ireo sakelika marobe miaraka aminy ho an’ireo hazo tapakin’ny akalana, ho an’ireo kiady sy voninahitra rehetra, dia:
– Ny valim-babena
– Ny solon’ala volofotsy
– Ny solon’ny maka kitay
– Ny solon-tsakarano
– Ny hasim-boasarin-jaza niara-nihinana
– Ny saron-karon-drahavavy
– Ny zaram-pangadin-dehilahy
– Sy isay mety tsy voalaza teo (afaka tenenina io sao misy zavatra hadino no nilaza azy)

Koa atolotray am-panetre-tena lehibe, tompoko; tsy sahaza anareo tolorana fa sahaza ny tana-manolotra.

Ny ranofotsy hono tsy azo ho vary, ny vato an-tanan-drahalahy tsy atora-borona, tantely tapa-bata izy ity, ka ny fo no mameno, fatra ny an’Andriamatoa mantsy, atao tahaka ny akoho manatody, izay tsy alatsany anio, alatsany indray raham-pitso, rahafak’ampitso koa, mbola andro ka tsy solom-bodiondry intsony no ateriny amin’izay fa ireo adidy amanan-draikitra manandrify azy.

Raiso am-pifaliana fa vokatry ny fitiavanay.

Kabary fisaorana tamin’ny fanomezana Solom-bodiondry

Tompokolahy sy tompokovavy

Toa an-dRafotsibe nanandrana anana hono ka sady tsy milaza ny tsirony no tsy manambara ny tsatsony fa izahay mianakavy kosa tsy ny tsirony sy ny tsatsony no ambaranay eto fa ny aina sy ny hanitra aterak’izao fihaonan-tsika mianakavy izao.

Koa tsy havandra hiraraka izy ity ka hotohanana, fa efa nomenareo tamim-pahatsorana sy tamim-pitiavana ka dia raisinay am-pifaliana tanteraka.
Mamy hono ny fary fa misy fakany mamy ny tantely misy faikany fa raha izao ataonareo izao dia tsy misy fakany hariana na faikany haloa fa sitraka sy telina avokoa.

Tsy vitan’ny hoe nahafa-po anay ny tokim-pitiavana nambara teo, mbola temerinareo voninahitra ihany koa izahay tamin’ny fanomezana ny hajam-bolana.
Tsy hamahana na hanisy resaka lava mikasika ity izahay satria ianareo tsy mpividy olona, izahay tsy mpivaro-janaka, ary tsy hisy hahaonitra izay rehetra lany tamin’ny nanabeazana ny zatovovavy ihany koa.
Ny teninay dia hoe:
Mionera be ny lany, tompoko. Ho tahaka ny laingom-boaloboka lohataona anie ny harenareo, handrantsana vao mihamisandratra.
Ho toy ny fidorobok’amboara anie, iray no tinapaka zato no maniry.
Andriamanitra ilay manankarem-pahasoavana anie hamaly fitia anareo.

Misaotra indrindra tompoko!

Kabary fangatahana ny hidiran’ny Zatovovavy

Mpangataka

Tompokolahy sy tompokovavy
– Raha midona hono ny oran’Akaratra
– Vaky tsipelika ny anjafy
– Raha mipaika ny oram-pitiavana
– Mitsanga-mitoetra ny tia sy ny manina

Isika rehetra eto, toa miramirana avokoa, fa I xxx_Tovolahy kosa toa manirery sy toa maloka endrika be ihany. Koa raha sitrakareo re tompoko mba ento miditra amin’izay ny zatovovavy, fa efa tena sasa-miandry ny zatovolahy.

Kabary mandritra ny fidiranan’ny Zatovovavy

Mpamoaka:

Sodisodika railovy, mirimorimo ny andiam-boromanga, manitra vonifanja re tsioka, fa mahatsara vahiny eto (anaran-tanana) ankehitriny.
Anaka tonga eto ireto fianakaviana ireto, mitondra sy manotrona izao zatovolahy izao, mangataka anao ho tokatranony.
Maro ny dinika nifanaovana teto, tsy nanaiky avy hatrany anefa izahay, fa mbola nanadihady tsara.
Ny fanambadiana mantsy tsy indray andro, tsy taom-bitsivitsy fa mandrakizay. (Koa rehefa vita ny fanadihadiana izany, lazao ilay dinika natao: raha fitinina izay nolazaina dia hoe; tiany tahaka ny tenany hono ianao, ka raha tsy ny ainy no tapitra tsy foana ny fitiavany »)

Resy lahatra tamin’izany valin-teny nomeny izany izahay ka nekenay ny fangatahana anao ho tokatranon’I xxx_Tovolahy.
Tsy hadinon’izy ireo ihany koa ilay fitanenana manao hoe: « raha tiana hono ny vary, ny tanim-bary no asian-jezika, raha tiana ny vady, ny rafozana tsinjovi-mandeha” ka dia nanolotra ny solom-bodiondry izy, ho fanajana ireo nahitanao masoandro. 
Ka eto imasonao sy ny fianankaviana roa tonta no hanolorana izany ho an’ireo Ray aman-dreny nahitanao masoandro.
Na dia teo aza anefa izany rehetra izany, ianao ihany no tompon’ny teny farany, ary tsy mety raha mandeha ila toy ny kiraron’Ibeminaha ity raharaha ity, koa raha ekenao izany fanapahan-kevitra nataonay izany, araka ilay resaka nifanaovantsika taloha, dia mangataka anao izahay hihataka kely, sady hitsiky hitodika any amin’i xxx_Tovolahy.

Manaraka izany ny mitelin-kafatra hono, maha bekibo koa mahafaly anay ny milaza aminareo ny hafatra nampitondrain’i xxx_Tovovavy ahy: « tokam-po tahaka ny siny hono izy ka tsy manam-po afa-tsy ny rano, ataony tahaka ny mamoaka omby tokana am-bala ny fitiavany, ka isa dia tapitra »

Mahazo mifaly ianao Andriamatoa, fa nitady toko ka sendra vato, nitady tiana ka tojo malala.
Mahaiza manana, tohizo hatrany ny fifankatiavanareo.
Maro ny torohevitra efa nataonay taminy, ataontsika toy ny vakin’alina anefa ireny, ka aleo tafahoatra, toy izay latsaka an-kady.
Ny amin’izay tokony hitondrana ny tokan-trano; ny lahy no lohan’ny vavy.
Ny amin’ny Ray aman-dreny, sao mitsipa-doha laka-nitàna, ny amin’ny fianankaviana, mba hampitovy ny lavin-kavana roa tonta sy ny sisa marobe.

Indro izy, hiova vohitra hiara-hitoetra aminareo, aza atao toy ny tsikirity momba fody,ka vasoka ao anatiny ny betsaka, fa raha misy tsy mety izay ataony, toroy fa zanakareo.

Ny anjairan-tsorotra raha fararano hono tompoko, hintsinjovana ny ora-koavy ny hanaovana ny fefiloha raha ririnina, hisorohana ny loza tondra-drano.
Ary ny hilazanay izany dieny ankehitriny, hiarovana ny ankanjon-janaka mba haharitra.

Koa mahaleova mahalasana hahazaka adidy, hahatondra andraikitra.
Ho tokantrano hirin’olona fa tsy haniry olona anie ny tokantranonareo.

Kabary fanasana Olona hisakafo

Miakina amin’ny zava-misy ny teny ambara.

Tranga mety hiseho:

1) Efa mipetraka manoloana ny latabatrany olona.
2) Vita ny fiaraha-miala hetaheta tao ivelany ary handroso ao amin’nyefitrano fisakafoana
3) Tranga hafa miankina amin’ny tompom-panasana

Ohatra iray amin’ny tranga 1:

Tontosa sao aman-tsara ny zavatra rehetra nataontsika ka tsy hisy resaka lava atao intsony. Na izany aza anefa, tsy ho toy ny lanonam-borotsiloza ny antsika teto, ka ny akora lava maneno lohasaha, ny dobok’aponga tsy hita velively nefa nony avy eo dia samy rava, fa ny hanin-karoso vahiny tsy misy.

Ny vatana anefa hono tompoko mila sakafo, ny tsiny tsy mba vatsy, ny kibo tsy mba lamosina, ny kitapo foana tsy mahajoro.
Tsy ho hafanan-ko tsofina toa ranovola intsony izy ity fa:
– Ny manta am-bilany hono, mila mpahandro;
– Ny masaka an-toko mila mpandroso
– Ny voaloatra an-dovia mila mpandroso
– Ny sakafo voaroso mila mpihinana
Koa mirary anareo hazoto homana tompoko,

Mazotoahomana ary tompokolahy mihinana finaritra tompokovavy.

Tsara ho fantatra eo am-pisakafoana

Matetika dia mipetraka eny amin’ny toerana voatokana hoan’ny Ray aman-dreny ny mpikabary eo am-pisakafoana koa tsara ny hahafantarana ny fomba tokony hatao amin’izany mba ho mendrika ny haja sy voninahitra natolotr any tena.

“Voninahitra an-tsobiky, aza atao am-patram-bary; ilo mby an-doha aza araraka an-tany.”

Kabary mialohan’ny fanapahana ny mofo (gateau)

I-Fampahatsiahivana ny tantaran’ny mofo

– Fomba Malagasy hatramin’izay fa tsy fomba nentin’ny vahiny akory.
– Taloha dia nisy ny tolotra (bolongan-kena natao teo ambony ravina maintso), vary amin-dronono tondrahan-tantely, ireo fitaovana samy hafa nampiasaina izay samy manana ny heviny avokoa (lovia tanimanga…..) ireo sarin-drary (ravina isan-karazany…..)
– Ny endrika amam-bikany no niova, araka ny zava-misy nentin’ny fandrosoana.

II- Hevitra fonosin’ny mofo

1. Votoantin-kevitra:

– Fifamofoana: fitiavana no resahina (Ny lahy no manapaka ny fitivana ho an’ny vavy, ny vavy mandihy ny fitiavany ho an’ny lahy
– Mariazy: tokantrano no resahina (miara manapaka sy mandidy ny tokantranony) Na toy inona na toy inona karazana mofo amin’ny fanambadiana, dia mitovy ihany ny hevitra fonosiny:
Ny fifankatiavan’ny mpivady, ny fahaiza-mitondra tokatrano, ny fahaiza-mitondra ny  Havana  sy ny fiaraha-monina, amin’ny a@lalan’ny fizarana ny soa sy ny mamy.
Arahina firarian-tsoa avokoa ireo rehetra ireo araka ny sarin-drary hita eo amin’ny mofomamy.

2. Sarin-drary

Sary asehon’ny mofo amin’ny fampakarana hanatanterahana ny firarian-tsoa:
– Azo atao ny mijery ny zavatra mandravaka ny mofo. Avy amin’izany no hanatsoahana ny hevitra (toy ny trano, rano, voninkazo)

– Ny endrika amam-bika isan-karazany:
-> Be fototra: tsara fototra ny fianakaviana, ny fitiavana ny tokantrano….
-> Efa-joro: Hahay hifandray amin’ny zorony efatra, (vazantany efatra)
-> Fari-bolana: Mifandray ao anantiny sy ny manodidina.
-> Telozoro: Tonga lafatra ny fiainana.

Fifandraisan’ny lavany, sakany, haavony, fifandeferana eo amin’ny tokantrano, fihavana eo amin’ny fianakaviana. Ho reharehan’ny fiaraha-monina sy ny firenena.

Ny tsirony:

Azo atao ihany koa ny miresaka ny tsiron’ny mofo raha azo antoka ny akora nanamboarana azy.
Ohatra: atody nesorina tamin’ny akorany. Dibera avy amin’ny ronono nokapohina sy nosodihina siramamy avy amin’ny fary.

Eo am-pandinihana ireo rehetra ireo no nahafantarana fa misy ireo singa tsy nilaiana ao anatin’ireo akora ireo ka voatery nesorina.

Ohatra: ny akoran’atody, ny faikam-bary … tamin’ny fanamboarana ny mofomamy, azo ampitahaina amin’ireo toetra tsy nety taloha tamin’izy roa izany, ka ilaina ajanona, fa ilay akora nofatenana kosa dia azo oharina amin’ilay toetra mendrika iraisana ao anatin’ny tokatrano .

3. Hozaraina ny mofo: fomban’ny Malagasy hatry ny ela ny misantatra zava-baovao amin’ny fiainana.

Eto dia satry ny fiarahan’izy mivady, mizara ny soa sy ny mamy, ho an’ny fianakaviana iray manontolo, tsy hanao mizana tsindrian’ila fa hahay hampitovy ny lafi-kavana roa tonta, ho an’ny mpiarabelona ihany koa

III- Rehefa vita ny fanazavana rehetra dia miroso amin’ny fanapahana sy fandidiana ny mofo.

– Tsara raha faranana amin’ny tso-drano sy firarian-tsoa izany.
Marihina fa ohatra ihany ireo nomena ireo fa ilaina ny ananan’ny mpikabary saina tonga tampoka satria miovaova ny mofomamy. (Ohotra: mofo voanjo, mofomamy misy dobera, mofomamy misy voankazo, mofomamy amin’ny ronono sy ranom-boankazo mandry…)

Santionan’ny amin’ny fanapahana sy fandidiana ny koba

(Amin’ny fotoanan’ny fifamofoana)

Ny tongolo manitra an-tsaha, ny tantely manitra an’ala, ny fitiavana manitra eto amin’ity tokatrano ity.
Koa ho fanamafisana orina sy ho fanambarana am-pahabe maso izany fitiavana izany, dia manoloana ity koba ity isika ankehitriny, mitovy amin’ny mofomamy izay fahitantsika matetika amin’ny fotoana fifamofoana tahaka izao ihany ny heviny, ary fahinyaza, nisy ny vary amin-dronono tondrahan-tantely, izay natao taoanaty tsatok’aty, dia nahohoka eo ambony ravin’akondro…

Marihina fa na dia nisy aza ireo zavatra samihafa nentin’ny fandrosoana dia iray ihany ny hevitra fonosin’izy ireo. Amin’ny fifamofoana tahaka izao, dia ilay endrika ny fitiavan’izy roa, ary zava-dehibe ilay fanapahana sy fandidiana azy.

Maro ny fanamboarana ity koba ity izay novaina endrika avokoa ny ankamaroan’izy ireny. Ohatra amin’izany: ny voanjo izay nesorana amin’ny hodiny; ao koa ny siramamy izay azo avy amin’ny fary ka ny faikany izay ajanona; nisy koa ny vary izay akotry no niandohany. Henontsika, araka izany fa nisy hatrany ireo akora izay nilaina, ka nesorina talohan’ny nanamboarana koba.

Midika izany, fa samy nanana ny fomba nanabeazana azy sy ny fiainany koa izy ireo taloha, ka nesorina izay toetra tsy nety rehetra, nojerena izay marimaritra niraisina, ka lasa nitambatra ho iray. Toy ny vary sy rano, ka an-tanàna tsy mifanary, an-tsaha tsy mifandao”.

Ary hintantsika fa tsy vitan’izay ihany, fa mbola nohamafisana sy nofonosina ravina indray, ary mba nofatorana ihany koa mba tsy hivaha, midika izany fa tsara aro ny fiankatiavan’izy roa. Toy ny vary maniry eny an-doharano taninin’ny hain’andro tsy mba malazo, tsofin’ny rivotra tsy mba miraika, rarafam-panala tsy ngoly” mafy orina ny fifankatiavan’izy roa.

Rehefa ho hanintsika io koba io dia hita fa tena mamy midika izany fa mamy ny fitiavana, ary tsy amin’izao voalohany izao ihany, fa hatramin’ny farany. Ho mamy toy izany koa anie ny fitiavan’izy roa ka tsy ho toy ny tantely an-tanam-boka akory, mamy fa tsy

tian-kohanina fa ho toy ny tantely manatody amim-pary, ny manatody mamy ny hanatodizana mamy.  Rehefa avy eo dia ho zaraina ny koba, fa tsy ho azy irero ihany, hahay hizara ny soa sy ny mamy ho an’ny mpiara-belona aminy anie izy roa.

Tsy misy havan’ny lahy sy ny havan’ny vavy fa hanao zara mitovy lafin-kavana roa tonta.

Mitsangàna ary ianareo roa, raiso ny antsy. (Ny lahy miteny hoe “Manomboka izao dia tapahiko ho an’I ….. ny fitiavako manontolo”. Ny vavy miteny hoe: manomboka izao dia didiako ho an’I ……ny fitiavako manontolo”). (Ny tsara kokoa raha niomana mialoha amin’ny teny izay ambarany izy roa, ka tsy manoro intsony ny mpikabary, fa efa manana vetsovetsom-pony izy ireo nefa ny hevitra fonosiny dia iray ihany”).

Tontosa soa aman-tsara ankehitriny ny fanambadianareo koa ny vary tsy arahin-dranonorana hono, manakofa, mamindro lavitry ny afo mangatsiaka, ny fanambadiana tsy arahin-tsodrano tsy maharitra, ka hoy izahay hoe: ho ampoky ny soa indindra anie ianareo ho sendra ny tsara maharitra, hitombo hery sy tanjaka ka ho tsara ririnina, ho soa fahavaratra, ho tomaratra fararano, ho mandin-dohataona, ho lava velona, hiadam-pinaritra.

Kabary fisaorana sy famaranan’ny mpamoaka

Tompokolahy sy tompokovavy

Faran’ny vilo ny omby
Faran’ny omby ny hena
Misy farany avokoa ny zava-drehetra, na dia tiana aza ny hiarahan-tsika mikorana eto.

Eto ampamaranana, dia misaotra indrindra anareo izahay, fa notafianareo haja, notoloranareo voninahitra, amin’ny fanotronana anay, tsy mba nankamamy asa aman-draharaha ianareo, tsy voasakan’ny adidy aman-andraikitra hafa, tsy nandala ny vola
aman-karena fa tonga tamim-pitiavana tokoa.

Raha mikalo tsy amim-baliha hono, tsy manga raha mandihy tsy amin’amponga maivana, raha mamindro lavitry ny afo mangatsiaka”.

Eny maivana tsy manga, ary mangatsiaka izao lanonana izao raha tsy natrehinareo. Koa misaotra indrindra tompoko, tsy atao sitraka andro hanaovana tahaka ny tongotr’omby mihosy anie izao, fa sitraka enti-matory, telina enti-mifoha.

Farany, ny amin’ny sakafo izay nomanina teo, raha sanatria nisy izay tsy lavorary, dia aza omen-tsiny fa tsy satrin’ny mpandihy ny mipetraka sy misonenika an-toerana, fa ny lamba ho enti-mitsangana no tsy misy.
Ka izay re no vita tompoko, izay no masaka, nahandro takatra, izay no takatry, ny ananana. Toy ilay ondrilahy mifatotra am-patorana, ka izay takatrin’ny tady no anaranam-po.
Tsitsina mitondra vonintenona ihany, ka izay zakan’ny vava no entina.

Koa dia mahasoava, tongava nofo, manjaria tolana hahasoa sy hahatsara.
Mankatelina indrindra tompokolahy makasitra indrindra tompokovavy

Kabary fisaorana sy famaranan’ny mpangataka

Tompokolahy sy tompokvavy

Raha tsy miteny toa sosotra
Raha tsy mamaly toa tezitra

Atao ahoana tokoa mao ny hangina manoloana izany teninareo izany.
Raha ny marina dia izahay no tokony hisaotra anareo satria nandom-baravarana izahay dia novohana, nangataka ny ho tokantrano dia nomena, ny resaka natao tamim-panajana sy fahendrena feno.

Tsy mba nataonareo toy ny voasary ivelan’ny saha izahay, na voaloboka ivelan’ny vohitra.
Tsy nataonareo ho olon-kafa izahay, na ivelan’ny fianakaviana, fa nataonareo tena havana, ka nantsoinareo hanatrika izao andro malaza izao.
Tsy vitan’izany ihany, fa nisahirananareo, norosoanareo hanim-pitoloha, tsy kely velively ny nahandro naroso, fa tsy ny tana-manolotra no mahatsapa sy mankasitraka indrindra, tompoko.

Farany, indreo ianareo roa, ny dinam-pitiavana izay nataonareo teo anie, tsy hanao tahaka ny landim-boatavo, iolaka tsy irainjehy; tsy ho mena-mivadika tahaka ny andro ririnina, fa ho tahaka ny vary eny an-doharano, taninin’ny hainandro tsy mba malazo, tsofin’ny rivotra, tsy mba miraraka, rarafam-panala tsy ngoly.

Hisaraka isika tompoko, koa dia manao veloma mandram-pihaona.

Tsy haharay tanana anareo rehetra anefa izahay, ary torak’izany koa ianareo, fa dia havondrontsika amin’izy roa ny fifandraisan-tanana sy fifanaovam-beloma.
Aorian’ny fanompoam-pivavahana famaranana, dia mangataka azy ireo hijoro eo am-baravarana horaisintsika tanana.

Veloma Tompokolahy, Soava Tompokovavy.

Azo jerena ihany koa

Sokajy

Lohahevitra


Commentaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *