Famadihana

Famadihana

Ny famadihana dia famoahana indray avy ao am-pasana ny havana efa maty, izany hoe ny razana, mba ho fahatsiarovana sy ho mari-panajana azy ireo ary ho fangataham-pitahiana aminy. Amin’ izany dia entina am-pasan-drazana ny taolambalon’ izay maty tany an-tany lavitra izay nalevina tamin’ ny fasana vonjimaika (fasana anirotra na aniritra), na raha efa nakevina am-pasan-drazana izy dia famonosan-dambamena no atao ka tanterahina izany isaky ny dimy na fito na folo taona. Famonosan-damba no anarana iantsoana ny famadihana amin’ ilay tranga faharoa. Ny Malagasy ao amin’ ny foko sasany ihany no manana izany fomba izany. Anisan’ ny fomban-drazana iray mampiavaka ny Malagasy ny famadihana na famonosan-damba. Anehoana ny finoana ny fifandraisana mbola misy eo amin’ ny velona sy ny maty, izany hoe anehoana ny fanajàna sy fanomezana hasina ny razana. Tsy vitan’ ny hoe hahatsiarovana izy io, fa indrindra ahazoana miverina mikasika ireo efa maty. Fotoana ahazoan’ ny fianakaviana mifankahita koa izy io.

Ny fomba atao mandritra ny famadihana

Fomba fikarakarana ny razana

Betsaka ny fomba atao mandritra io famadihana io:

  • famerenana indray ny famonosana ny maty, izany hoe averina fonosina lambamena izy ireo;
  • fampidirana anaty fasana ny faty nalevina anirotra (ny zazakely ohatra, satria raha zaza no maty dia tsy sokafana ny fasana fa alevina anirotra, izany hoe eo akaikin’ ny fasana).

Fanatanterahana ny lanonana

Mampiavaka ny famadihana ny fisian’ ny ny mozika, ny sakafo, ny kao-drazana ary ny fihaingoana.

Ny mozika

Matetika dia manakarama mpitsoka mozika mihitsy ny tompon-draharaha mba hampandihizana ny olona. Ary misy aza ireo maka mpanao hiragasy mandritra izany fotoana izany

Ny sakafo

Asaina ny mpiray tanàna sy ny manodidina rehetra amin’ ny sakafo. Any amin’ ny toerana sasany dia antsoina mihitsy hoe « vary be menaka » na « vary be saosy » izy io: mamono omby na kisoa iray na maromaro mihitsy ny tompon-draharaha hamokisana ny olona, ary atao izay hampatavy ny sakafo, mba hahatsiarovan’ ny olona ny tsirony

Ny kao-drazana

Ny kao-drazana dia vola omen’ ny olona nasaina ho an’ ny tompom-pety.

Ny fihaingona

Fahiny ihany koa dia ny fotoanan’ ny famadihana no fotoana ahitana ny fihaingona isankarazany (izany hoe manao akanjo vaovao daholo ny rehetra ka mampidera izay)

Fotoana anaovana ny famadihana

Ny tompon’ ny fanapahan-kevitra

Tsy tena misy daty voatokana hanaovana famadihana fa arakaraka ny hevitry ny raiamandreny ao amin’ ny fianakaviana. Matetika dia ny iray amin’ ny raiamandreny no milaza hoe: « Nanonofy an-dranona (olona efa maty) aho halina, ka niteny izy hoe Mangatsiaka izahay« 

Ny daty anaovana ny famadihana

Volana Jolay ka hatramin’ ny Septambra no fotoana fanaovana famadihana. Ho an’ ny Malagasy dia manomboka amin’ ny vanim-potoana fararano no fanaovana famadihana, andaniam-bola aman-karena mihitsy mantsy ny famadihana ka dia nosafidian’ ny Malagasy hanaovana izany ny vanim-potoana fiakaran’ ny voka-bary (fararano, main-tany). Mila andro tsara ny famadihana ka nosafidina ny main-tany izay tsy misy orana, maina rahateo ny andro amin’ io vanim-potoana fararano io.

Azo jerena ihany koa

Sokajy

Lohahevitra


Commentaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *