Raok’andro

Ny raokandro dia fampiasana zavamaniry ho an’ ny fitsaboana. Sehatra nentim-paharazana amin’ ny fitsaboana malagasy izy io, izay ampiasaina amin’ ny fitsaboana aretina isan-karazany. Izy dia nipoitra tamin’ ny fomban-drazana malagasy fahiny izay ampiasan’ ny mpitsabo nentim-paharazana ny zavamaniry amin’ ny endriny tsy asiam-panovana

Fampiasana taovan-javamaniry (faka, ravina, hoditra, vony, sns) hanamboarana fanafody ny ny raokandro. Matetika mifandray amin’ ny fombafomba sy fanao ara-panahy ny raokandro. Manana anjara toerana lehibe eo amin’ ny fanomanana sy ny fikarakarana ny fanafody ny mpitsabo nentim-paharazana (ny mpanandro, ny mpitsabo gasy, ny ombiasa, sns).

Anisan’ ny kolontsaina malagasy ny raokandro. Ankehitriny, matetika izy io no ampiasaina ho famenon’ ny fitsaboana môderina.

Ny raokandro dia manana endrika maromaro arakaraka ny aretina na ny toe-pahasalamana tiana hotsaboina:
– Tambavy azo avy amin’ ny fitanehana ny taovan-javamaniry (ravina, taho, faka, hoditra) na fandrarahana rano mafana amin’ izany.
– Tambavy azo avy amin’ ny fandomana amin’ ny rano mangatsiaka ny taovan-javamaniry.
– Fanaovana fesana (na petakilasy) ny ranoka nokarakaraina avy amin’ ny taovan-javamaniry, izay apetaka mivantana amin’ ny hoditry ny olona mila fitsaboana.
– Fievohana amin’ ny etona avy amin’ ny ranoka mafana avy amin’ ny fitanehana ny taovan-javamaniry.
– Firavahana ody fiaro ampiasana ny zavamaniry sasany mba handroahana ny fanahy manimba na hisarihana vintana.

Tsy natal ho an’ny fitsaboana olona imani nega ny raokandro, fa azo itsaboana biby ihany koa na anaovana fiarovana isan-karazany

Ireo karazana raokandro

  • Ody kibo
    Fa tandremo mila mandeha dokotera raha ohatra ka tsy mety tony na miafana anatin’ny 2 andro Marary kibo mivalana  Maka tantely iray sotro sy tany fotsy dia afangaro. Iny no hohanina fa ho hitanao fa vetivety dia ho afaka ny fivalanana  Marary kibo misy rivotra Azo jerena ihany koa
  • Ody sery
    Raha sery no resahina, ireto misy santionany amin’ny zavatra azo atao ho fanantoniana sy histaboana ny sery. Fa tandremo fizarana sy fampahafantarana fotsiny ito. Mila mandeha dokotera raha ohatra ka tsy mety tony na miafana anatin’ny 2 andro Azo jerena ihany koa

Azo jerena ihany koa

Sokajy

Lohahevitra